FID – Fonds d’Intervention pour le Développement
ANTSO HO ANTSIKA TANORA VEHIVAVY 18 HATRAMIN’NY 35 TAONA !
Efa vonona hiditra amin’ny tontolon’ny asa ve ianao ?
Mitohy ny fisoratana anarana amin’ny fandaharanasa EAGER.
Inona no tombony ho azonao?
Fiofanana sy fampitomboana traikefa.
Fianarana asa (Stage) any anivon’ny orinasa.
Tantsoroka amin’ny fitadiavana asa na fanombohana fihariana.
MISORATA ANARANA – Safidy roa:
Ampitain-davitra (En ligne): amin’ny alalan’ny QR code na manindry ity rohy ity:
https://bit.ly/4sxeoRg
Eny an-toerana: Manantona ny biraon’ny FID na ireo toerana voatokana hita amin’ny sary.
FE-POTOANA FARANY : HATRAMIN’NY 31 MAY 2026.
Fanamarihana: Toamasina sy Fenerive-Est: Manomboka ny 04 May ny fisoratana anarana eny an-toerana
Maimaimpoana ny fisoratana anarana sy ny dingana rehetra.
Hisy ny fifantenana ireo vehivavy ho tohanan’ny tetikasa, araka ny fepetra napetraka.
Te hahafantatra bebe kokoa momban’ny EAGER? Tsidio ny: https://bit.ly/4cAoQ5e
—-
EAGER | Tetikasan’ny Governemanta malagasy, arindran’ny @Minisiteran’ny fanabeazana, vatsian’ny @Banky iraisam-pirenena ary tanterahin’ny @FID
