Global Entrepreneurship week 2026- Madagasikara | Manakara

Hotanterahina ny 19 sy 20 Novambra 2026 ao Manakara ny fankalazana ny Herinandro Manerantany ho an’ny Fandraharahana (GEW 2026), izay hampiray ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka avy amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo-Atsinanana.
Hetsika roa andro hifanakalozana traikefa, hampiroboroboana ny fandraharahana ary hahafantarana ireo sehatra sy tombontsoa ara-toekarena misy eto an-toerana.
Fandaharam-potoana :
19 Novambra : Fanokafana ofisialy, adihevitra momba ny sehatra ara-toekarena sy indostrialy ary fampirantiana.
20 Novambra : Fampiofanana momba ny fandraharahana, ny fananganana orinasa, ny fitantanana ara-bola ary ny fampiasana teknolojia nomerika.
Hisy ihany koa ny fampirantiana sy fivarotana ireo vokatra avy amin’ny koperativa mandritra ny roa andro.
Toerana : Gare FCE – Manakara
Daty : 19 sy 20 Novambra 2026
Andao hampivelatra ny hevitra, hanohana ny fandraharahana ary hampiroborobo ny toekarena isam-paritra !
