Kaoperativa : Miara-miasa ny MIDSP sy ny DGRV Allemand

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 18 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘋𝘎𝘙𝘝 (𝘋𝘦𝘶𝘵𝘴𝘤𝘩𝘦𝘳 𝘎𝘦𝘯𝘰𝘴𝘴𝘦𝘯𝘴𝘤𝘩𝘢𝘧𝘵𝘴- 𝘶𝘯𝘥 𝘙𝘢𝘪𝘧𝘧𝘦𝘪𝘴𝘦𝘯𝘷𝘦𝘳𝘣𝘢𝘯𝘥), 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘭𝘦𝘮𝘢̀𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘪𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘳𝘰𝘢 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘢.
Nifantoka tamin’ny fifampizarana traikefa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny kaoperativa eto Madagasikara ny dinika, indrindra eo amin’ny lafiny fitantanana, fandaminana, fanofanana ary fanamafisana ny fahaleovantenan’ireo kaoperativa.
Tanjon’izany ny hampiroboroboana ireo kaoperativa mba ho rafitra matanjaka sy mahomby, afaka mamorona asa, mampitombo ny fidiram-bolan’ny mpikambana ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena Malagasy.
Naneho ny fahavononany hanohy ny fifanakalozana sy hametraka hetsika iombonana mivaingana ny roa tonta.
Kaoperativa matanjaka, toekarena mandroso!
