FAGACE : Manamora ny fahazoan’ny Orinasa malagasy famatsiam-bola

𝘈𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢, 16 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘩𝘪𝘳𝘪𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 (𝘍𝘈𝘎𝘈𝘊𝘌) 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘯𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢, 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢, 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘢𝘵𝘳𝘦𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Dingana lehibe amin’ny fanamorana ny fahazoan’ny orinasa malagasy, indrindra ireo orinasa madinika sy salantsalany, antoka sy famatsiam-bola izao fisokafana izao.
Notohizana tamin’ny atrikasa tao amin’ny Hôtel Carlton Anosy ny lanonana, izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe : « Hanafaingana ny fahazoan’ny orinasa malagasy famatsiam-bola ».
Manamafy ny ezaky ny Fanjakana amin’ny fanohanana ny orinasa sy ny fampiroboroboana ny indostria ary ny toekarem-pirenena izao fipetrahan’ny FAGACE eto Madagasikara izao.
