Fananganan-tsaina volana Aogositra 2026

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 03 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢.
Nandritra izany no nanentanan’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina ireo mpiara-miasa rehetra mba hampitombo hatrany ny ezaka sy ny fahavononana amin’ny fanatanterahana ireo asa sy andraikitra iantsorohan’ny Minisitera.
Nampahatsiahivin’ny Minisitra ihany koa fa notanterahina ny zoma 31 Jolay 2026 ny jeritodika isan’enimbolana momba ny fanatanterahana ny Tetibolam-panjakana 2026. Nohazavainy tamin’ireo mpiara-miasa ny toromarika sy ny lalan-tsaina napetraky ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, ho fanamafisana sy fanatsarana ny asa mandritra ny enim-bolana farany amin’ity taona ity.
Notsindriany manokana fa ny tetikasa sy ny asa tanterahin’ny MIDSP dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, ka misy fiantraikany mivantana amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara.
