Fitokanana ny lalana vaovao ๐๐ ๐๐ข๐๐๐ ๐๐๐๐ง๐ฆ๐ฌโ๐๐ ๐๐๐ง๐ข๐๐ sy fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa ยซย ๐๐๐ฌ ๐ข๐ฉ๐๐ฅย ยป ๐๐ก๐ข๐ฆ๐๐ญ๐๐ง๐ข

๐๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฉ๐ช๐ฎ๐ข๐ฉ๐ช๐ต๐ด๐บ โ ๐๐ฏ๐ฐ๐ด๐ช๐ป๐ข๐ต๐ฐ, 31 ๐๐ฐ๐ญ๐ข๐บ 2026 โ ๐๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฐ๐ง๐ช๐ด๐ช๐ข๐ญ๐บ ๐ณ๐ฐ๐ข ๐ด๐ฐ๐ด๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐ฐ ๐ฏ๐ฐ๐ต๐ข๐ณ๐ช๐ฉ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ฆ๐ฑ๐ฐ๐ฃ๐ญ๐ช๐ฌ๐ข๐ฏ’๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข, ๐๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ๐ฆ๐ญ๐บ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ช๐ค๐ฉ๐ข๐ฆฬ๐ญ, ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ข๐ฏ๐บ.
Notokanana tamin’izany ny lalana vaovao mampitohy an’Ambohimahitsy sy Ambatobe, foto-drafitrasa natao hanatsarana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitaterana, ary hanamorana ny fifamoivoizana amin’ireo faritra manodidina.
Mirefy 2,468 km ny lalana nohavaozina, izay nahitana fanitarana sy fanarenana ny arabe, fanatsarana ireo fihaonan-dalana ary fanamboarana ireo sampanan-dalana, ka antenaina hitondra fivoarana lehibe eo amin’ny lafiny fifamoivoizana sy ny fampandrosoana ara-toekarena.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny tetikasa ยซย Fly Overย ยป eny Anosizato, izay vinavinaina haharitra 24 volana ny fanatanterahana azy.
Ny BADEA (Banque Arabe pour le Dรฉveloppement รconomique en Afrique) no mamatsy vola ny tetikasa, iarahana manatanteraka amin’ny Fanjakana Malagasy, ao anatin’ny ezaka fanatsarana ny foto-drafitrasa sy ny fifamoivoizana eto amin’ny firenena.
Nohamafisin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaรซl, fa isan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondrana ny fanarenana sy fananganana foto-drafitrasa. Araka ny nambarany, ny lalana tsara kalitao no misarika ny fampiasam-bola, mamorona asa ary mampiroborobo ny toekarem-pirenena.
Notsindriany ihany koa fa ny zava-dehibe dia ny fanatanterahana ny asa ho tombontsoan’ny vahoaka, fa tsy ny fijerena hoe iza no nanolotra ny hevitra, iza no nanatanteraka na iza no mitokana izany.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara sy Ramatoa vadiny, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ireo Solombavambahoaka ary ireo Ben’ny Tanร na voakasika. Anisan’ireo nanatrika ihany koa ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
