Softevent 2026 – Fankalazana ny faha-25 taonan’ny Softwell

📍 𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭 𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢, 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘕𝘰𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘰𝘧𝘵𝘌𝘷𝘦𝘯𝘵 2026, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-25 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘰𝘧𝘵𝘸𝘦𝘭𝘭, 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘓𝘦 𝘤𝘢𝘳𝘳𝘦𝘧𝘰𝘶𝘳 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘱𝘦𝘳𝘧𝘰𝘳𝘮𝘢𝘯𝘤𝘦 ».

👉Nifantoka tamin’ny anjara toeran’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fanovàna nomerika amin’ny fanatsarana ny fahombiazan’ny orinasa sy ny fitantanan-draharaha ny hetsika. Notsindriana ihany koa ny maha zava-dehibe ny fanohanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME), ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny famoronana asa.

👉Ao anatin’izany, nisongadina ny fanohanan’ny Fanjakana, tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny famoronana asa.

👉Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny lanonana Andriamatoa Talen’ny Haitao ara-kajy Mirindra (DSI), RAHARINAIVOSON Andoniaina Josué.

✅Ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, miaraka amin’ny fanavaozana sy ny fampiasana ny teknolojia, dia anisan’ny singa lehibe amin’ny fanohanana ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara.

#MIDSP#SOFTWELL#SEHATRA_TSY_MIANKINA

Vous aimerez aussi...