Fiofanana : Hampiroboroboana maharitra ny Indostria eto Madagasikara

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 16 𝘕𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘨𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘥𝘦𝘴 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘴 𝘜𝘯𝘪𝘦𝘴 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘦 𝘋𝘦́𝘷𝘦𝘭𝘰𝘱𝘱𝘦𝘮𝘦𝘯𝘵 𝘐𝘯𝘥𝘶𝘵𝘳𝘪𝘦𝘭 (𝘖𝘕𝘜𝘋𝘐), 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰, 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘢𝘵𝘺 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢 (𝘑𝘐𝘈). 𝘔𝘪𝘧𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘗𝘰𝘭𝘪𝘵𝘪𝘬𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢, 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘷𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘨𝘰𝘷𝘰 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘢𝘵𝘴𝘪𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘮𝘢𝘪𝘵𝘴𝘰 𝘪𝘵𝘺 𝘧𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘵𝘺.

✅Nandritra ny lahateniny, ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia nanamafy fa harena maro no ananan’i Madagasikara, saingy mbola betsaka ireo akora fototra tsy voahodina. Noho izany, ny tanjona dia ny hanodina izany eto an-toerana, hampitombo ny lanjany ary hamorona tombontsoa ho an’ny Malagasy.

📌Notsindriany ihany koa fa ilaina ny fampandrosoana ny faritra ara-toekarena manokana, ny fanamafisana ny sehatry ny indostria ary ny fanatsarana ny famatsiana angovo, satria fototra iankinan’ny indostria izany.

📌Mpiasam-panjakana maherin’ny 80 avy amin’ny Minisitera sy Andrim-panjakana samihafa no mandray anjara amin’ny fiofanana.

✅« Hanodina eto an-toerana, hampitombo ny lanja »: ezaka iombonana mitaky ny fandraisan’anjaran’ny Governemanta iray manontolo sy ny sehatra tsy miankina ary ny olom-pirenena tsirairay izany.

Vous aimerez aussi...