CEO Summit Indian Ocean – Andiany faharoa « Nouveau paradigme, Nouveaux Horizons »

📍𝗡𝗼𝘃𝗼𝘁𝗲𝗹, 𝗳𝗮𝗵𝗮 𝟬𝟵 𝗮𝗽𝗿𝗶𝗹𝘆 𝟮𝟬𝟮𝟲 – 𝘔𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘔𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘴𝘺 𝘛𝘰𝘮𝘱𝘰𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘵𝘢𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 21.

📌Nisokatra tamin’ny fomba Ofisialy androany ny CEO SUMMIT INDIAN OCEAN tetsy amin’ny Novotel Alarobia izay natrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’ i Madagasikara Kolonely Mickaël RANDRIANIRINA sy ny Praimisitra lehiben’ny Governemanta ary ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta.

Tamin’ny fandraisam-pitenenany ny Filohan’ny Fanavaozana moa nanipika ny anjaran-toerana lehibe hananan’ny Sehatra Tsy Miankina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, ny famoronana asa sy ny fiaraha-mientana eto amin’ny faritra ranomasina Indiana sy Afrika.

📌Ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) izay tarihin’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina dia isan’ireo Minisitera mpiahy ny hetsika.

📌Fotoana iray hamantarana ireo sehatra fampandrosoana manaraka ny rojom-pamokarana iombonana hanovana ny fifanankalozan-kevitra ho lasa tetikasa azo tanterahina, hampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny fiaraha-miasa maharitra, hamoronana tontolo ara-toekarena sy ara-barotra mahasoa kokoa ny orinasa sy ny mpandraharaha.

Hitohy rahampitso 10 aprily ny hetsika.

Vous aimerez aussi...