PNRDC – Fanisana sy fametrahana amin’ny rafitra nomerika ny orinasa kaoperativa

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 14 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘰𝘭o𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘬𝘢𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘣𝘪𝘰𝘮𝘦𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 124 𝘯𝘢𝘩𝘢𝘷𝘪𝘵𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘦𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘭𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘦𝘰 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘮𝘢𝘯𝘨𝘢.

📌Raha tsiahivina dia natomboka teto amin’ny Faritra Analamanga ny Programa Nasionaly fanisana sy fametrahana amin’ny rafitra nomerika ny orinasa Kaoperativa na PNRDC ny herinandro lasa teo. Orinasa kaoperativa miisa 124 misehatra amin’ny fambolena, fiompiana, asa tanana, fizahantany, fitaterana; araka izany no tonga tety amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) nisoratra anarana ka notolorana ny karatra biometrika androany.

📌Ny orinasa kaoperativa dia miantoka ny fampandrosoana eny ifotony ary andry iankinan’ny fampivelarana ny seha-pihariana isan-tsokajiny. Mitàna anjara toerana goavana eo amin’ny fampitomboana ara-toekarena ny fananana orinasa kaoperativa matanjaka. Notsindrian’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina izany nandritra ny fanolorana ny karatra ho an’ireo orinasa kaoperativa.

✅Tanjona napetraka amin’ny programa PNRDC ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka sy voamarina momba ireo orinasa kaoperativa.

📌Tsy mijanona hatreo ny fanisana fa mbola mitohy hatrany ho an’ny Faritra Analamanga ary efa manomboka ihany koa ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo ary manaraka aorian’izay ny Faritra SAVA sy Anôsy. Tetikasan’ny Fanjakana Malagasy, tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, izay tanterahin’ny MIDSP ary tohanan’ny PNUD ara-bola ny PNRDC.

Vous aimerez aussi...