PNRDC | Mitohy any amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny fanisana ireo Orinasa Kaoperativa

14 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘈𝘯𝘢𝘭𝘢𝘯𝘫𝘪𝘳𝘰𝘧𝘰 𝘪𝘩𝘢𝘯𝘺 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘗𝘳𝘰𝘨𝘳𝘢𝘮𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘕𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘒𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊).
Tao Toamasina, dia nisy ny atrikasa fanombohana ny hetsika, izay nahafahana nampahafantatra ihany koa tamin’ireo orinasa kaoperativa ny lalàna 2023-016 sy ireo didim-panjakana fampiharana azy. Orinasa kaoperativa 400 no kendrena ho voaisa mandritra ity herinandro ity.
Tao Fenoarivo Atsinanana kosa, dia natomboka tao amin’ny CCI Analanjirofo ny hetsika, ka orinasa kaoperativa 29 no efa voarakitra tamin’ny andro voalohany.
Tanjona lehibe amin’ny PNRDC ny hahazoana antontan-kevitra azo antoka sy voamarina momba ireo kaoperativa. Ny fanisana dia hanampy amin’ny famantarana mazava ny filàna sy ny olana sedrain’ireo orinasa kaoperativa, mba hahafahana mamolavola fanohanana mifanaraka amin’ny zava-misy, toy ny fanofanana, ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola, ny fanatsarana ny fitantanana ary ny fampifandraisana azy ireo amin’ireo tsena sy mpiara-miombon’antoka.
Ny PNRDC dia Programan’ny Fanjakana Malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), izay manome lanja ny famoronana asa sy ny fanohanana ireo sehatra mamokatra, indrindra ireo kaoperativa.
Tohanan’ny PNUD ara-bola ny fanatanterahana ity programa ity.
