Salon de l’Agronomie 2026 | Madagasikara mizotra mankany amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo

𝘌𝘚𝘚𝘈 𝘈𝘯𝘬𝘢𝘵𝘴𝘰 | 15 – 17 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026

✅ Tanterahina ao amin’ny École Supérieure des Sciences Agronomiques (ESSA) – Oniversiten’Antananarivo Ankatso ny Salon de l’Agronomie 2026. Hetsika mampivondrona ireo mpisehatra amin’ny fambolena, fiompiana ary famokarana sakafo. Sehatra iray hanehoana ny vokatra sy ny zava-baovao, ary hifampizarana traikefa sy fahalalana eo amin’ireo mpamokatra, mpandraharaha, matihanina ary mpianatra.

📌 Mifanaraka amin’ny vina sy laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny hetsika, indrindra amin’ny fampandrosoana ny fambolena sy ny fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo. Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.

✅ Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanatanterahana izany vina izany ny tanora. Izany indrindra no antony anohanan’ny MIDSP ny ESSA, izay manofana sy manomana ireo tanora hirotsaka amin’ny famokarana sy ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fanamboarana sakafo, ka ho isan’ireo mpitarika ny fampandrosoana amin’ny ho avy.

📌 Ho an’ny MIDSP, tsy afa-misaraka ny famokarana sy ny fanodinana indostrialy. Ny fanodinana sy ny fanomezan-danja ireo vokatra eto an-toerana no ahafahana mamorona sanda fanampiny, manitatra ny tsena, mamorona asa ary mampitombo ny lanjan’ny famokarana Malagasy.

Vous aimerez aussi...