MADAGASIKARA – CÔTE D’IVOIRE FAMPIASAM-BOLA AMIN’NY FANODINANA FAKO
📍 Anosy, 27 aogositra 2026 – Nihaona tamin’ireo mpampiasa vola Ivoariana Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, niresaka momba ny tetikasa fananganana orinasa fanodinana fako eto Antananarivo, indrindra ireo fako sy harona plastika.
Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fahazoana akora fototra, ny fotodrafitrasa sy ny logistika ilaina, ary ny fanohanana sy fanamorana ny fampiasam-bola. Ny Kaonsily misolo tena an’i Madagasikara any Côte d’Ivoire no nampifandray ireo mpampiasa vola ireo amin’i Madagasikara.
Ankoatra ny fiarovana ny tontolo iainana, fahafahana hampiroboroboana sehatra indostrialy vaovao, hamoronana asa ary hampitomboana ny sanda ara-toekarena eto Madagasikara ny fanodinana sy fanomezan-danja ny fako.
Manamafy ny fahavononany ny MIDSP hanohana ireo fampiasam-bola indostrialy maharitra sy mitondra vokatra ho an’ny toekarena malagasy.
