Fiaraha-miasa Madagasikara – Torkia : Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-toekarena

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 27 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘧𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘫𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘣𝘪𝘳𝘢𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘮𝘢𝘯𝘫𝘢𝘵𝘰 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘙𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘛𝘰𝘳𝘬𝘪𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘏𝘢𝘭𝘪𝘮𝘦 𝘌𝘣𝘳𝘶 𝘋𝘦𝘮𝘪𝘳𝘤𝘢𝘯.
Vao haingana no voatendry hiasa eto Madagasikara ny Masoivoho, taorian’ny nitantanany andraikitra ara-diplaomatika maro tany ivelany, anisan’izany ny teo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny Filankevitr’i Eoropa, ary ny naha Lehiben’ny Misiona lefitra azy tany Le Caire sy Paris.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy i Torkia ny fihaonana. Notsindriana manokana ireo sehatra manana vina sy fahafahana lehibe amin’ny fiaraha-miasa, toy ny fambolena, fotodrafitrasa, lamba, angovo, teknolojia sy nomerika, fahasalamana ary fizahantany.
Nifampiresahana ihany koa ny amin’ny fampiharana ny Fifanarahana momba ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena nosoniavina tamin’ny taona 2024, ary ny fanamafisana ny rafitra araka ny lalàna hahafahana mampiroborobo ny fampiasam-bolan’i Torkia eto Madagasikara.
Ho an’ny MIDSP, nohamafisina ny fahavononana hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta, indrindra amin’ireo sehatra laharam-pahamehana ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R), dia ny fanodinana ireo vokatra eto an-toerana, toy ny lavanila sy kakao, ireo harena an-kibon’ny tany stratejika, ary ny fametrahana vondrona madinika fanodinana vokatra ara-pambolena amin’ny alalan’ny fanavaozana ny tetikasa ODOF.
