FIA andianay faha-8 sy FIG andiany faha-2
𝗙𝗔𝗠𝗘𝗟𝗔𝗕𝗘𝗟𝗔𝗥𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗩𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗞𝗔𝗙𝗔𝗡𝗔: 𝗩𝗜𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗣𝗔𝗜𝗞𝗔𝗗𝗬 𝗦𝗬 𝗣𝗢𝗟𝗜𝗧𝗜𝗞𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔

𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 10 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘏𝘢𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢, 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘩𝘰 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯-𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘷𝘪𝘵𝘢𝘯-𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰. 𝘈𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘪𝘯𝘨𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘰𝘮𝘣𝘺, 𝘮𝘢𝘵𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢.
Ao anatin’izany vina izany, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) dia mifantoka amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, mba hampiroboroboana sy hisarihana ny fampiasam-bola eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanodinana ara-tsakafo.
Notsindrian’Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny MIDSP, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, nandritra ny famelabelaran-kevitra fanokafana, fa tafiditra ao anatin’izany fanatsarana izany ny fiantohana ny famatsiana akora fototra tsara kalitao, ny fametrahana fotodrafitrasa mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatra, ny fanamorana ny lalam-barotra, ary indrindra ny fanatsorana sy fanamorana ny fikarakarana ireo antontan-taratasy takiana amin’ny mpandraharaha sy ny mpampiasa vola.
