Foire Internationale de l’Agriculture, de l’É́levage et de la Pêche (FIA) – Festival International de la Gastronomie (FIG)

| 𝗙𝗮𝗺𝗼𝗸𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 – 𝗙𝗮𝗻𝗼𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 – 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 |

📍 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰, 10 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 10 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 13 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘈 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-8 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘎 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-2, 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢, 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢, 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢, 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢.

Seha-pihariana miisa folo sy tranoheva maherin’ny 100 no mandray anjara amin’ity hetsika maharitra efatra andro ity, izay mikendry ny hanamafy ny fifandraisan’ireo mpisehatra sy hampitombo ny sandan’ireo vokatra eto an-toerana.

« Famokarana – Fanodinana – Fampandrosoana », lalan-tsaina mitarika ny FIA-FIG karakarain’ny MadaVision, dia mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny fanodinana eto an-toerana, ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina ho fampandrosoana ny toe-karena.

Anisan’ireo Minisitera mpiahy ny hetsika ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP). Notsipihan’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa : « Ilaina ny fiaraha-mientan’ny mpisehatra rehetra, satria mifampiankina avokoa izy ireo amin’ny fampiroboroboana ny toe-karena sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy. »

Vous aimerez aussi...