Olom-pirenena vonona hanefa ny adidy ho an’ny firenena

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 09 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘥𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘭𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘧𝘪𝘥𝘺, 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘝𝘢𝘰𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘔𝘢𝘩𝘢𝘭𝘦𝘰 𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘧𝘪𝘥𝘪𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 (𝘊𝘌𝘕𝘐).
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, sady nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, TATAMIARISOA Manankoraisina Landry.
Natao indrindra ity hetsika ity mba hanamorana ny fahafahan’ireo mpiara-miasa manatanteraka ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy, ka tsy ho sakana amin’ny fisoratana anarana ny asa aman’andraikitra andavanandro.
Nanamafy moa Andriamatoa Sekretera Jeneraly fa manana zo sy adidy hifidy ny olom-pirenena tsirairay. « Hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra isika rehetra » hoy izy mba hahatanteraka izany.
Hotanterahina mandritra ny roa andro ity hetsika fampidirana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy eto anivon’ny MIDSP ity. Tsy voafetra ho an’ny mpiara-miasa ihany koa izany, fa afaka manatona ety Anosy ary misitraka izany fanamorana izany ny fianakavian’izy ireo.
