SECREN | Miroso amin’ny fitadiavana vahaolana hatrany ny fitondram-panjakana

𝘈𝘯𝘵𝘴𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 – 𝘛𝘰𝘯𝘨𝘢 𝘯𝘪𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘪𝘧𝘰𝘵𝘰𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘷𝘢-𝘮𝘪𝘴𝘺 𝘵𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘖𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘚𝘌𝘊𝘙𝘌𝘕 𝘯𝘺 𝘪𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.
Nisy ny fihaonana sy fifampidinihana mivantana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ny mpiasa. Notanterahina ihany koa ny fitsirihana lalina, hamantarana mazava ny tena fototry ny olana misy eo anivon’ny orinasa.
Naneho fahatokisana ary nisaotra ny ezaka ataon’ny Minisitera ireo mpiasa ary vonona hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fitsirihana sy ny fanapahan-kevitra ara-drariny hivoaka.
Efa voarain’ny Orinasa SECREN ihany koa ny vola mitentina 10 miliara Ariary, avy amin’ny Fitondram-panjakana, ho fampitomboana ny renivolan’ny orinasa sy ho fanohanana ny dingana fanarenana.
Mazava ny fijoroan’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël : tsy mijery fotsiny ny olana misy, fa miroso amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ho fanarenana ny SECREN.
SARY NOMENA
