Fampiroboroboana ny Orinasa Kaoperativa

𝗙𝗼𝘁𝗼-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗷𝗼𝗿𝗼𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮𝘀𝗮 𝗸𝗮𝗼𝗽𝗲𝗿𝗮𝘁𝗶𝘃𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗲𝗵𝘆 𝗮𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝗿𝘆 𝘇𝗮𝘃𝗮-𝗱𝗲𝗵𝗶𝗯𝗲 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗵𝗮𝗳𝗮𝗻𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗶𝘇𝗮𝗻𝘆.
𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 22 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙏𝙤𝙣𝙩𝙤𝙨𝙖 𝙣𝙮 𝙖𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙛𝙞𝙨𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙯𝙖𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙡𝙖̀𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙝𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙞𝙣𝙖 𝙡𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 2023-016 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 11 𝘼𝙤𝙜𝙤𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 2023, 𝙢𝙞𝙛𝙚𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙤𝙧𝙞𝙣𝙖𝙨𝙖 𝙠𝙖𝙤𝙥𝙚𝙧𝙖𝙩𝙞𝙫𝙖.
Notsindrian’ny Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, fa zava-dehibe ny fahalalana sy ny fampiharana ny lalàna vaovao ho an’ireo kaoperativa. Manamafy ny anjara toeran’ny kaoperativa amin’ny fampiroboroboana ny fanodinana eto an-toerana, izay tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Fanavaozana izany.
Mikendry indrindra ny fanatsarana ny fitantanana ny orinasa kaoperativa, ny fampivelarana ny lalam-barotra sy ny fisokafan’ny tsena ary ny fanamafisana ny maha-matihanina ny kaoperativa eo amin’ny sehatra ara-toekarena ity lalàna nohavaozina ity. Marihina moa fa nivoaka tamin’ny 02 Aprily 2025 ny didy fampiharana laharana 2025-360, manamafy ny fampiharana ny lalàna mifehy ny kaoperativa.
Nampahafantatra ihany koa ny Minisitra fa hisy ny famerenana ny fanisana ny orinasa kaoperativa manerana ny Nosy, izay hotanterahin’ny MIDSP ary hanomboka amin’ny fomba ofisialy ny 01 Jolay 2026 izany. Ity fanisana ity dia mikendry ny hametraka ny kaoperativa ho ara-dalàna sy matihanina tanteraka eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Ankoatra izay, ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Kaoperativa (JIC) dia hotanterahina any amin’ny faritra SAVA ny 03 – 05 Jolay 2026, ho fotoana hanamafisana ny lanjan’ny kaoperativa eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toekarena.
