Madagascar – Tanzanie

𝗠𝗘𝗧𝗬 𝗛𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗧𝗔𝗢𝗭𝗔𝗩𝗔-𝗕𝗔𝗩𝗘𝗡𝗧𝗬

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 𝘧𝘢𝘩𝘢 24 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 — 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺, 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘥𝘦𝘭𝘦𝘨𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘰𝘭𝘭𝘦̀𝘨𝘦 𝘥𝘦 𝘋𝘦́𝘧𝘦𝘯𝘴𝘦 𝘕𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘢𝘯𝘻𝘢𝘯𝘪𝘦 (𝘕𝘋𝘊-𝘛𝘡) 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘰𝘵𝘳𝘰𝘯𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘭𝘰𝘢𝘭𝘪𝘯𝘥𝘢𝘩𝘺.

✅ Ny Talen’ny Kabinetra, RICHMAN David, no nisolotena ny Minisitra nandritra ny fandraisana. Taorian’ny fitsidihana ara-pomba fanajana nataon’ireo delegasiona dia nisy ny famelabelarana mikasika ireo fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ny sehatry ny indostria eo amin’i Madagasikara sy Tanzania nataon’ny solontena avy eto amin’ny MIDSP. Voaresaka tamin’izany ny « agroalimentaire », ny « textile » ary ny « accessoire militaire. »

📌 Voaresaka ihany koa ny fiaraha-miasan’ny « Génie militaire » malagasy sy tanzanianina, ary ny mety ho andraikitry ny MIDSP amin’ny fanatanterahana izany fiaraha-miasa izany.

Nifarana tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fifametraham-panontaniana moa ny fihaonana. Samy naneho ny finiavany ny roa tonta hanamafy sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-taozava-baventy.

Vous aimerez aussi...