MIDSP – METFP – TOMBOTSOA – AVISCOOL

𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗢𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔𝗞’𝗔𝗦𝗔 : 𝗔𝗜𝗡𝗚𝗔 𝗩𝗔𝗢

📍𝘼𝙣𝙩𝙨𝙞𝙧𝙖𝙗𝙚, 𝙛𝙖𝙝𝙖 23 𝘼𝙥𝙧𝙞𝙡𝙮 2026 – 𝘕𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘛𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘳𝘢𝘬’𝘢𝘴𝘢 (𝘔𝘌𝘛𝘍𝘗), 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘬𝘰𝘭𝘺-𝘍𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢 𝘛𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘪𝘷𝘰𝘯-𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘈𝘷𝘪𝘴𝘤𝘩𝘰𝘰𝘭 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘮𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘰 𝘢𝘯𝘢𝘵𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘩𝘰𝘮𝘣𝘺 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺.

✅Tonga nanatrika izao fotoana manan-danja izao ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny avy eto amin’ny MIDSP, dia nahitana ny Sekretera Jeneralin’ny Minisitera TATAMIARISOA Manankoraisina Landry, sy ny Talen’ny Tetikasa sy ny Fiaraha-miasa RAMAHERY Hanitsoa Ravo, izay manamafy ny fahavononana amin’ny fanatanterahana izao fiaraha-miasa izao.

Ny fiaraha-miasa dia mirafitra amin’ny andry telo lehibe :

Ny fampiofanana an-tsehatra sy ny fandrindrana ny rafitra fampiofanana

Ny mahakasika ny fanohanana ny fandraharahana

Ny fanohanana ny fidirana amin’ny asa sy ny fanekena ny traikefa, indrindra ho an’ireo matihanina tsy manana mari-pahaizana, amin’ny alàlan’ny « Validation des Acquis de l’Expérience (VAE). »

Araka ny Politika ankapobean’ny Fanjakana, ny tetikasa dia mitondra tanjona ara-tsosialy ihany koa ka manampy ireo mponina marefo, ny tanora sy ny vehivavy. Ny fanamby fototra : ny fanovana ireo marefo ho loharanon-karena olombelona mahay, ny fivoahana amin’ny fahantrana lalina ary ny famoronana harena amin’ny alàlan’ny fampiroboroboana ny kaoperativa sy ny rojo sanda eo an-toerana.

Ny andron’ny 23 Aprily dia nanamarika ny fahavonoanan’ireo minisitera tsirairay, ny fizarana ny vina avy amin’izy ireo ary ny fitsidihana ny Sekoly-Fambolena Tombontsoa. Ny fandaharam-potoana manaraka dia ho faritana tsy ho ela mba hanamarinana io rafitra fiaraha-miasa io ho asa mazava.

Vous aimerez aussi...