MADAGASIKARA – INDONEZIA

𝗛𝗔𝗠𝗣𝗜𝗧𝗢𝗠𝗕𝗢𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗣𝗜𝗥𝗢𝗕𝗢𝗥𝗢𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗜𝗡𝗗𝗢𝗦𝗧𝗥𝗜𝗔

📍𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 22 𝙅𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙉𝙤𝙧𝙖𝙞𝙨𝙞𝙣’𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙩𝙤𝙖 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙧𝙤𝙗𝙤𝙧𝙤𝙗𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙄𝙣𝙙𝙤𝙨𝙩𝙧𝙞𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙢𝙥𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙈𝙞𝙖𝙣𝙠𝙞𝙣𝙖 (𝙈𝙄𝘿𝙎𝙋), 𝙍𝙖𝙝𝙖𝙧𝙞𝙢𝙖𝙣𝙟𝙖𝙩𝙤 𝙉𝙮 𝙍𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙉𝙖𝙢𝙥𝙤𝙞𝙣𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙮 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝘼𝙣𝙙𝙧𝙞𝙖𝙢𝙖𝙩𝙤𝙖 𝙇𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙨𝙞𝙤𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙨𝙤𝙞𝙫𝙤𝙝𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙍𝙚𝙥𝙤𝙗𝙡𝙞𝙠𝙖𝙣’𝙞 𝙄𝙣𝙙𝙤𝙣𝙚𝙯𝙞𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖, 𝙇𝙖𝙣𝙖𝙣𝙜 𝙎𝙚𝙥𝙪𝙩𝙧𝙤.

✅ Niompana tamin’ireto teboka lehibe ireto ny diniky ny roa tonta :

– Fambolena sy Fanodinana : Ny fahafahana mamboly « palme » eto Madagasikara sy ny fanodinana izany ho lasa menaka fihinana.

– Sehatry ny fifamoivoizana an-dranomasina: Ny fanamorana ny fampidirana fitaovana fanamboarana sambo.

📌 Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’i Indonezia i Madagasikara ary malalaka tanteraka ny tontolon’ny fandraharahana ankehitriny. Nohamafisiny fa hojerena akaiky ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo, indrindra ny fanatsarana ny fampiasam-bola eto an-toerana.

✅ Ho fampiharana izany, hisy ny fitsidihana ofisialy hotanterahin’ny ekipan’ny MIDSP miaraka amin’ireo Ministera hafa any Indonesia amin’ny volana Jolay ho avy izao. Fitsidihana ozinina sy taozava-baventy maro no hatao any an-toerana, mba ho fifanakalozana traikefa sy ho fampitomboana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Vous aimerez aussi...