Fihaonana an-tampony faha 46 ny SADC :

𝗡𝗢𝗛𝗔𝗠𝗔𝗙𝗜𝗦𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔 𝗦𝗔𝗗𝗖 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗢𝗛𝗔𝗡𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗩𝗔𝗢𝗭𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔

📍𝘕𝘪𝘧𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 17 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 𝘵𝘢𝘰 𝘋𝘶𝘳𝘣𝘢𝘯, 𝘈𝘧𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘵𝘴𝘪𝘮𝘰, 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘮𝘱𝘰𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢 46 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘈𝘋𝘊, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢.

📌Nohamafisin’ny SADC nandritra izany ny fanohanany ny dingana Fanavaozana eto Madagasikara, indrindra ny fitantanana mangarahara sy iarahan’ny rehetra, ny fanamafisana ireo andrim-panjakana, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny famerenana amin’ny laoniny ny laminana araka ny Lalàm-panorenana.

📌Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, nifantoka tamin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanodinana ny fambolena, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny rojom-pihariana isam-paritra ary ny fanomezan-danja ireo harena an-kibon’ny tany stratejika ny dinika.

✅Ho an’i Madagasikara, ireo fanapahan-kevitra ireo dia manokatra hatrany ny làlana ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’ny alalan’ny fanodinana akora eto an-toerana, ny fampandrosoana ny rojom-pihariana ary ny fanitarana ny tsena isam-paritra.

✅Ao anatin’izany, ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, izay tarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana ireo ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, mifanaraka @ Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana.

Vous aimerez aussi...