Fahamarinan-toeran’ny Toekarena Malagasy

𝗡𝗮𝗺𝗽𝗶𝗮𝗸𝗮𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝟭𝟮,𝟱% 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝘇𝗮𝗻𝗮𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗳𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗻𝘆 𝗞𝗼𝗺𝗶𝘁𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗽𝗼𝗹𝗶𝘁𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗿𝗮-𝗯𝗼𝗹𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗕𝗮𝗻𝗸𝘆 𝗙𝗼𝗶𝗯𝗲𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮 (𝗕𝗙𝗠).
𝘊𝘢𝘳𝘭𝘵𝘰𝘯 𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 05 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘍𝘪𝘧𝘦𝘩𝘦𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘴𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘷𝘪𝘥𝘪𝘮-𝘱𝘪𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘰 𝘵𝘢𝘯𝘫𝘰𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘯𝘢𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘢 𝘛𝘢𝘶𝘹 𝘋𝘪𝘳𝘦𝘤𝘵𝘦𝘶𝘳.
Rehefa nojerena avokoa ireo zava-misy maneran-tany sy eto an-toerana eo amin’ny lafiny ara-politika sy ara-toekarena toy ny ady any Moyen-Orient, ny fivoaran’ny vidim-piainana dia tsapa fa ilaina ny fampiakarana ny tahan’ny zanabola fototra. Tafiakatra ho 8,6% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny volana jona 2026 raha toa ka 6,8% izany ny volana martsa 2026. Ny tontolon’ny fandraharahana sy ny sehatry ny orinasa malagasy dia manana anjara toerana betsaka eo amin’ny fisian’ny fahamarinan-toeran’ny toekarena malagasy.
Isan’ireo ezaka ataon’ny rafi-panjakana eto amin’ny firenena ny fanohanana ireo orinasa malagasy. Tafiditra ao anatin’izany fanohanana izany ny nametrahana ny Tahirim-pirenena momba ny fampandrosoana ny ara-indostria (FNDI S.A).
Nanatrika ity hetsika nokarakarain’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ity moa ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), TIDAHY Chantal izay nisolotena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
