๐ฒ๐ฌ๐ค๐ฒ๐บ ๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฆ-๐ ๐๐๐ ๐๐จ๐ฆ๐๐ก๐๐ฆ๐ฆ ๐๐ข๐ก๐ก๐๐๐ง

๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฒ : ๐๐ฎ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ฎ-๐๐ผ๐ฒ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ฒ๐ผ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐น๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ ๐๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ฒ๐ป๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ผ๐ฟ๐ถ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ถ๐ป๐ฎ
๐๐๐ข๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ด ๐ ๐ข๐ด ๐๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ฐ, 06 ๐๐ฐ๐จ๐ฐ๐ด๐ช๐ต๐ณ๐ข 2026 – ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ณ๐ฐ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ ๐ฎ๐ช๐ด๐ฆ๐ด๐บ, ๐ฏ๐บ 13 ๐ด๐บ 14 ๐๐ฐ๐จ๐ฐ๐ด๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ท๐บ ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฆ๐ต๐ด๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐๐ ๐๐ท๐ข๐ต๐ฐ, ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ญ๐ข๐จ๐ข๐ด๐บ ๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ฐ๐ณ๐ช๐ด๐ช๐ข๐ฏ๐ช๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ฆ๐ณ๐ข๐ด๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฉ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ช๐ป๐ข-๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฐ ๐ข๐ณ๐บ ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข ๐ฉ๐ช๐ซ๐ฆ๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข-๐ฎ๐ช๐ข๐ด๐ข ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐บ ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ณ๐ฐ๐ข ๐ต๐ฐ๐ฏ๐ต๐ข. โ Miara-mientana hatrany ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny alalan’ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Maorisy Madagasikara amin’ny fanomezana fahafahana sy fanosehana ireo mpandraharaha hifanerasera. Izany fandraisana andraikitra izany dia maneho ny finiavana sy ny fahavononana iombonan’ny firenena roa tonta hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena.
๐ Isan’ireo Minisitera miahy ny hetsika Moris-Mada Business Connect ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) satria mitondra fampandrosoana ho an’ireo indostria manodina vokatra eto an-toerana hisehatra amin’ny tsena ivelan’i Madagasikara ary tambajotra iray hahitan’ny sehatra tsy miankina fiaraha-miasa sy lalam-barotra hafa ny fisian’ity hetsika ity.
