Foara MANANDRATRA andiany voalohany : Foara ara-toekarena mampisongadina ny harena sy ny vokatra eny an-toerana

📍𝘈𝘮𝘣𝘢𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘻𝘢𝘬𝘢, 06 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘈𝘭𝘢𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘔𝘢𝘯𝘨𝘰𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘢𝘳𝘢 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘢𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯𝘺, 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 06, 07 𝘢𝘳𝘺 08 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026, 𝘮𝘪𝘬𝘦𝘯𝘥𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘯-𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘬𝘢𝘪𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘯𝘵𝘴𝘢𝘩𝘢, 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢 𝘷𝘰𝘭𝘢.
✅Ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI) Alaotra-Mangoro no mikarakara ny hetsika, iarahana amin’ireo Minisitera sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny. Anisan’ireo mpiahy ny foara ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP).
📌Nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta sy ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny avy ao an-toerana. Nisolo tena ny MIDSP kosa ny Tale misahana ny Fanohanana ny Sehatra tsy Miankina (DASP), RAKOTOARIMALALA Ravo Andrianiriana ary ny Tale Iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Analamanga sy Alaotra Mangoro, RAHERISON Andrianantenaina Liva.
📌Manana tranoheva manokana ny MIDSP mandritra ity foara ity, izay hampirantiana ny vokatra ODOF Ambatondrazaka novokarin’ny orinasa LYCOOPER, ireo vokatra avy amin’ireo vehivavy mpandraharaha tohanan’ny MIDSP, toy ny huile essentielle sy ny boky, ary ireo vokatra avy amin’ny kaoperativa, ahitana masomboly vary voafantina, anisan’izany ny Vary Manitra sy Fy Vary.
📌Ankoatra izany, dia nanao famelabelarana momba ny lohahevitra hoe : « Fampiroboroboana ny Indostria, ny Fandraharahana ary ny Fampiasam-bola ho fampandrosoana maharitra eto Alaotra-Mangoro » ny MIDSP, notarihin’ny Tale Iraisam-paritra misahana an’Analamanga sy Alaotra Mangoro sy ny Tale misahana ny Fanohanana ny Sehatra tsy Miankina (DASP). Nahasarika mpandray anjara maro izany, indrindra tamin’ny fanazavana momba ny tetikasa ODOF (One District One Factory) sy ny anjara birikiny amin’ny fampiroboroboana ny indostria, ny famoronana asa ary ny fampandrosoana ara-toekarena eny ifotony.
