Tetikasa EAGER : Fanamafisana ny fizakan-tena ara- toekarenan’ny vehivavy

𝘛𝘢𝘰𝘭𝘢𝘨𝘯𝘢𝘳𝘰, 7 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘛𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘏𝘰̂𝘵𝘦𝘭 𝘥𝘶 𝘗𝘩𝘢𝘳𝘦, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘰 𝘯𝘪𝘵𝘢𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘩𝘢𝘧𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘢𝘵𝘰𝘭𝘰𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘌𝘈𝘎𝘌𝘙 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘻𝘢𝘵𝘰𝘷𝘰𝘷𝘢𝘷𝘺 16 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 35 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢. 𝘕𝘪𝘧𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘥𝘪𝘳𝘢𝘯’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘩𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘦𝘧𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢, 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘻𝘢𝘬𝘢𝘯-𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢.
Nandritra izany dia nihaino mivantana ny hetahetan’ireo zatovovavy sy vehivavy ny Minisitra, indrindra momba ny fahazoana asa maharitra, fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa, tantsoroka ary famatsiam-bola ho an’ny fandraharahana.
Tanora vehivavy sy vehivavy mpandraharaha 60 000 manerana ny faritra 16 no kendrena hisitraka ny Tetikasa EAGER, izay vatsian’ny Vondron’ny Banky Iraisam-pirenena vola, tanterahin’ny FID ary iarahana manatanteraka akaiky amin’ny MIDSP.
