Fiainana anatin’ny Ministera

𝑨𝒏𝒐𝒔𝒚, 20 𝑱𝒐𝒍𝒂𝒚 2026 – 𝑵𝒐𝒕𝒂𝒏𝒕𝒆𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒂𝒏𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒇𝒂𝒎𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒎-𝒑𝒊𝒕𝒂𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒍𝒆 𝒗𝒂𝒐𝒗𝒂𝒐 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒍𝒆 𝒕𝒆𝒐 𝒂𝒍𝒐𝒉𝒂 𝒎𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑻𝒐𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑺𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝑴𝒊𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂 (𝑫𝑨𝑺𝑷).
Araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra farany teo, dia voatendry ho Tale misahana ny Tohana ho an’ny Sehatra tsy Miankina eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) Andriamatoa RAKOTOARIMALALA Andrianiriana Ravo.
« Hitondra hafainganam-pandeha vaovao sy hanova famindra isika. Mila vokatra azo tsapain-tanana mba hanatrarana ny tanjona napetraky ny Minisitera, ary vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra ny tenako », hoy izy nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Nandritra ny fidirany an-tsehatra kosa, Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, MANANKORAISINA Landry, dia nisaotra, nankasitraka ary nankahery ny Tale teo aloha izy:
« Tsy fiafarana izao fa fanombohana amin’ny andraikitra hafa indray izay mbola ho atrehinao. »
Notohizany tamin’ny teny fankaherezana sy fiarahabana ny Tale vaovao izany :
« Tsy toy ny ranon’Ikopa izahay ka ho tonga namana vao mavomavo, fa raisina an-tanan-droa ianao. Antenaina fa ho tsara ny fiaraha-miasa ary hitondra aingavao amin’ny sehatra izay ho sahaninao izao andraikitra izao. Mitohy ny asa ! »
