CTN Carion : Fotodrafitra hanatsarana kitra Malagasy

𝘊𝘢𝘳𝘪𝘰𝘯, 17 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦 𝘛𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘕𝘢𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘰𝘭𝘪𝘯𝘢 𝘒𝘪𝘵𝘳𝘢 (𝘊𝘛𝘕) 𝘢𝘰 𝘊𝘢𝘳𝘪𝘰𝘯, 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘴𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘩𝘢𝘯𝘢𝘵𝘴𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘢𝘭𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘭𝘢𝘨𝘢𝘴𝘺.

👉Nanatrika ny lanonana ireo Mpanolotsaina Ambony ny Fanavaozana ny Repoblika roa mirahalahy, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ireo solotenan’ny FIFA sy ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra, ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

✅Manamarika dingana lehibe ho an’ny fanatanjahantena malagasy ity fotodrafitrasa ity. Ankoatra ny fampivelarana ny baolina kitra, dia manome lanja ny fampiasam-bola amin’ny tanora sy ny fotodrafitrasa, izay afaka mandray anjara amin’ny famoronana asa sy ny fampandrosoana ny sehatra ara-toekarena mifandraika amin’ny fanatanjahantena.

Vous aimerez aussi...