Fizakamanana ara-indostria : Dingana lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny Indostria sy ny fanatsarana ny tontolon’ny Fandraharahana

𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢, 21 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 — 𝘛𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺, 𝘢𝘳𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘦𝘭𝘰 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘢𝘰𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘪𝘯𝘪𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘝𝘰𝘭𝘢𝘷𝘰𝘭𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘭𝘢̀𝘯𝘢 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 002/2026 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 15 𝘑𝘢𝘯𝘰𝘢𝘳𝘺 2026, 𝘮𝘪𝘬𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘻𝘢𝘬𝘢𝘮𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.
Zava-dehibe ho an’ny sehatry ny indostria, ny fikarohana ary ny tontolon’ny fandraharahana ny fisian’ity lalàna ity satria mampanaraka ny rafi-dalàna mihatra ankehitriny @ fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavin’i Madagasikara sy ny fomba fanao ekena maneran-tany, mametraka rafitra mazava hiarovana ireo zava-baovao, famoronana, marika, vokatra ary fananana ara-tsaina vokarin’ny mpandraharaha sy ny indostria eto an-toerana no sady rafitra mahasarika ireo mampiasa vola avy any ivelany ihany koa.
Anisan’ny voarakitra ao anatin’ny volavolan-dalàna ny fanamafisana ny fiarovana amin’ny hosoka sy fakàna tahaka, ny fanamafisana ny sazy, ny fiarovana ireo marika sy famantarana ara-barotra, ary ny fanomezana lanja bebe kokoa ireo vokatra avy amin’ny faritra sy ny harena ary ny fahalalana nentin-drazana.
Ho an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), tarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ny fanamafisana ny rafitra miaro ny fizaka-manana ara-indostria dia singa iray lehibe amin’ny fananganana tontolo ara-barotra sy ara-indostria azo antoka, mifaninana ary manome lanja ny famoronana sy ny haivao.
Ny fiarovana ny fizakamanana ara-indostria dia tsy fiarovana ny orinasa ihany, fa famporisihana ny mpandraharaha hamorona, hanavao, hampiasa vola ary hampitombo ny famokarana.
