Fiaraha-miasa Etazonia sy Madagasikara

𝗙𝗶𝗳𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗶𝘀𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘁𝗿𝗮𝘁𝗲𝗷𝗶𝗸𝗮 𝗺𝗶𝘁𝗼𝗻𝗱𝗿𝗮 𝘁𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝘁𝘀𝗼𝗮

𝗡𝗮𝗻𝗸𝗮𝗹𝗮𝘇𝗮𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟮𝟱𝟬 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮𝗻’𝗶 𝗘𝘁𝗮𝘇𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮-𝟭𝟲𝟬 𝘁𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗵𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮

✅Ity fifandraisana maharitra ity dia manamarika ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

✅Mitondra tombontsoa mivantana ara-toekarena ho an’i Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatra tsy miankina izany. Ankoatra ny fifanarahana ara-barotra efa misy, dia manampy amin’ny famoronana asa vaovao, fampidirana fampiasam-bola, ary fanatsarana ny fahaiza-mifaninana izany.

📌Misokatra ho an’ny mpandraharaha malagasy ny tsena amerikanina, ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana. Ny sehatra toy ny lamba, asa-tanana, lavanila ary vokatra indostrialy dia efa mahazo tombontsoa manokana amin’ity fiaraha-miasa ity.

Vous aimerez aussi...