Fikaonan-doha momba ny tetibola 2027 miaraka amin’ny sehatra tsy miankina

𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 04 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘰𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘦𝘵𝘪𝘣𝘰𝘭𝘢 2027 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘪𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘪𝘻𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘬𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯-𝘥𝘰𝘩𝘢 𝘩𝘪𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢. 𝘚𝘦𝘩𝘢-𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘪𝘴𝘢 𝘦𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰 𝘯𝘰𝘳𝘢𝘪𝘴𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘍𝘪𝘭𝘰𝘩𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢, 𝘒𝘰̂𝘭𝘰̂𝘯𝘦𝘭𝘺 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘕𝘐𝘙𝘐𝘕𝘈 𝘔𝘪𝘤𝘩𝘢𝘦̈𝘭, 𝘩𝘰 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢: 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘥𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰 (𝘢𝘨𝘳𝘪𝘣𝘶𝘴𝘪𝘯𝘦𝘴𝘴), 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘻𝘢𝘩𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺, 𝘯𝘺 𝘛𝘐𝘊 𝘴𝘺 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘭𝘢𝘮𝘣𝘢.
Asa mitohy fa tsy indray mandeha na indroa ihany ny fifanakalozan-kevitra hanaingana ny toekarena hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) raha nanomboka ity fikaonan-doha ity. Isan’ireo teboka nojerena androany ireo fehin-kevitra avy amin’ny Dinika Nasionaly natao ho fanaingana ara-toekarena hanatsara ny fiharian’ny Sehatra tsy Miankina. Nandray anjara mavitrika tamin’izany ireo vondron’ny Sehatra tsy Miankina toy ny FCCIM, ny GFEM, ny CMA, ny GPME.
Araka ny fakan-kevitra entina hampiroboroboana ny Sehatra tsy Miankina mikasika ny fanodinana ara-tsakafo dia hojerena manokana amin’ny alalan’ny fandaharanasa samihafa ny mikasika ny tontolon’ny fampiasam-bola, ny fanamorana ny fahitana lalam-barotra ary ny fiatrehana ny fifaninana eo amin’ny tsena.
Ho an’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) manokana dia efa maro ny fitaovana entin’ny rafi-panjakana manohana sy mitantsoroka ireo mpandraharaha tsy miankina toy ny fanatanterahana ny Pacte pour la programmation industrielle sy ny fanaovana tsy tapaka ny fifampiresahana ary ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin’ireo mpampiasa vola eto an-toerana sy vahiny hoy ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Indostria (DGI), RAZAFINDRAZAKA Nainanirina, izay nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, nandritra ny fikaonan-doha.
