Atsimo Andrefana Business Week 2026 | Avy amin’ny famokarana ho amin’ny indostria

📍 𝘑𝘢𝘳𝘥𝘪𝘯 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘔𝘦𝘳 – 𝘛𝘰𝘭𝘪𝘢𝘳𝘢, 03 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘭𝘢𝘣𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘳𝘰𝘢 𝘮𝘪𝘵𝘰𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘩𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦 « 𝘋𝘦 𝘭𝘢 𝘵𝘦𝘳𝘳𝘦 𝘢̀ 𝘭’𝘪𝘯𝘥𝘶𝘴𝘵𝘳𝘪𝘦 : 𝘮𝘰𝘥𝘦𝘳𝘯𝘪𝘴𝘦𝘳 𝘭𝘦𝘴 𝘧𝘪𝘭𝘪𝘦̀𝘳𝘦𝘴 𝘢𝘨𝘳𝘪𝘤𝘰𝘭𝘦𝘴 𝘦𝘵 𝘱𝘢𝘴𝘵𝘰𝘳𝘢𝘭𝘦𝘴 𝘱𝘰𝘶𝘳 𝘭𝘢 𝘴𝘰𝘶𝘷𝘦𝘳𝘢𝘪𝘯𝘦𝘵𝘦́ 𝘢𝘭𝘪𝘮𝘦𝘯𝘵𝘢𝘪𝘳𝘦 » 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

👉Nandritra izany no nanasongadinany fa lalan-tsaina entin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ary voafaritra mazava ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R) ny hanodinana bebe kokoa eto Madagasikara ny vokatra, hampitomboana ny sanda fanampiny ary hamoronana asa ka izay no ilàna ny fampifandraisana akaiky kokoa ny famokarana eny ifotony sy ny indostria.

📌Nohamafisin’Andriamatoa Minisitra fa tsy eny an-tsaha ihany no hanorenana ny fahaleovantena ara-tsakafo, fa eo ihany koa ny fanodinana, ny fitahirizana, ny famatsiam-bola ary ny fananganana rojom-pihariana mifaninana. Manana tombony lehibe amin’izany ny Faritra Atsimo Andrefana, indrindra amin’ny katsaka, legioma maina, hena, ronono ary menaka.

✅Notsindrian’Andriamatoa Minisitra ihany koa fa ilaina ny fampifandraisana ireo fitaovana stratejika telo: ny PTASO, tetikasan’ny MIDSP vatsian’ny Vondron’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana vola amin’ny ampahany lehibe, izay mampifandray ao anatin’ny rafitra iray ny famokarana, ny fotodrafitrasa, ny fanodinana ary ny fampiasam-bolan’ny sehatra tsy miankina. Ny Programme de Partenariat Pays (PCP) Madagascar 2026-2030 ho rafitra hanetsehana ireo mpiara-miombon’antoka sy loharanom-bola, ary ny Fonds National pour le Développement Industriel (FNDI S.A) ho fitaovana nasionaly hanohanana indrindra ireo orinasa Malagasy sy PME misehatra amin’ny fanodinana.

✅Ny vina dia ny hahatonga ny Faritra Atsimo Andrefana tsy ho sompitr’i Madagasikara fotsiny, fa ho Faritra mamokatra, manodina, mamorona asa ary misarika fampiasam-bola, ho fanamafisana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy ara-indostrialy.

📷 Sary nomena

#PRRM#MIDSP#PTASO#PCP#FNDI#ATSIMOANDREFANA#BUSINESSWEEK#INDOSTRIA#SEHATRATSYMIANKINA

Vous aimerez aussi...