Fifanatrehana eo amin’ny Solombavambahoaka sy ireo Mpikambana eo anivon’ny Governemanta

Tonga namaly ny antson’ireo Solombavambahoaka teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza, omaly Talata 09 jona 2026, Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina.
Isan’ireo Minisitra enina namaly ny fanontanian’ireo Solombavambahoaka ny tenany mahakasika ireo asa sahanin’ny Minisitera iandraiketany.
Ny Solombavambahoaka avy any amin’ny Distrikan’Ankazobe, Mandritsara ary Ambatoboeny no nametraka fanontaniana mivantana taminy nandritra izany, ka ny tetikasa ODOF, ny fanokafana indostria eny ifotony, ny fampananan’asa ho an’ny tanora no isan’ireo fanontaniana nisongadina.
Nambaran’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina fa ny ODOF dia tetikasam-panjakana efa miparitraka eny anivon’ny distrika rehetra ary mahatratra 89 ankehitriny ny milina efa nozaraina, 30% no mandeha tsara ary ny 70% kosa tsy mandeha noho ny olana samihafa. Efa misy anefa ny asa ho fanarenana izany mba hanampiana ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra mampiavaka ny distrika tsirairay.
Eo ihany koa ny tetikasa izay iarahana amin’ny Banky Iraisam-pirenena izay hijerena manokana ny sehatry ny fandraharahan’ny tanora sy ny vehivavy ka vola mitentina 80 tapitrisa dolara no natokana ho amin’izany. Efa natomboka tany Ste Marie ny tetikasa ary hihitatra hatrany amin’ny Distrika 19 manerana ny Nosy.
