Fampiroboroboana ny fandraharahana eo amin’ny vehivavy

✅𝙈𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 30 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙨𝙤𝙧𝙖𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙏𝙚𝙩𝙞𝙠𝙖𝙨𝙖 𝙀𝘼𝙂𝙀𝙍

📌Tsiahivina fa Tetikasan’ny Governemanta ny EAGER izay vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary hiarahan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina ary ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena miasa. Ny fampiharana ity Tetikasa ity kosa dia tanterahan’ny « Fonds d’Intervention pour le Développement ».

📌Manana hatramin’ny 30 jona 2026 ireo vehivavy voasokajy ao anatin’ny 18-35 taona liana amin’ny sehatry ny fandraharahana amin’ny fisoratana anarana.

Araho ary ireto toromarika ireto :

☑️ Arahana ny toromarika amin’ireo sary eo ambany.

☑️ Misoratra anarana mivantana amin’ireo toerana voatondro ary mitondra ny taratasy ilaina.

☑️ Na en ligne, fenoina avy hatrany ny rohy :

– Raha efa mpandraharaha ianao ka te hampivelatra ny asanao: https://bit.ly/4sx9tQh

– Raha mitady asa sy fizaran’asa (stage): https://bit.ly/4sxeoRg

✅Marihana fa maimaimpoana avokoa ny dingana rehetra ao anatin’ny tetikasa ary efa 10 000 sahady ireo vehivavy namaly ny antso.

Vous aimerez aussi...