Fiaraha-miory : Very olomanga ny Indostria sy ny Sehatra tsy miankina Malagasy

Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), sy ny fianakaviamben’ny Minisitera, dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana manontolo sy ny mpiara-miasa rehetra noho ny fodiamandrin’i RANAIVOSOA Hery Mampianina, Filohan’ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM) teo aloha.

Mirary fiononana feno ho azy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.

Mandria am-piadanana.

Vous aimerez aussi...