PMLP- T : Fotodrafitrasa goavana ho fampandrosoana ny toekarena Malagasy

𝘛𝘴𝘢𝘳𝘢𝘬𝘰𝘧𝘢𝘧𝘢, 𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 2 𝘖𝘬𝘵𝘰𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘵𝘴𝘪𝘥𝘪𝘬𝘢 𝘯𝘺 » 𝘗𝘭𝘢𝘵𝘦𝘧𝘰𝘳𝘮𝘦 𝘔𝘶𝘭𝘵𝘪𝘮𝘰𝘥𝘢𝘭𝘦 𝘓𝘰𝘨𝘪𝘴𝘵𝘪𝘲𝘶𝘦 𝘦𝘵 𝘗𝘰𝘳𝘵𝘶𝘢𝘪𝘳𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢 (𝘗𝘔𝘓𝘗-𝘛) » 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 » 𝘚𝘰𝘤𝘪𝘦́𝘵𝘦́ 𝘥𝘶 𝘗𝘰𝘳𝘵 𝘢̀ 𝘨𝘦𝘴𝘵𝘪𝘰𝘯 𝘈𝘶𝘵𝘰𝘯𝘰𝘮𝘦 𝘥𝘦 𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢 (𝘚𝘗𝘈𝘛) », 𝘙𝘈𝘕𝘋𝘙𝘐𝘈𝘔𝘉𝘈𝘏𝘖𝘈𝘒𝘈 𝘈𝘯𝘪𝘤𝘦𝘵 𝘏𝘦𝘳𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘪𝘫𝘦𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘢𝘴𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘥𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢𝘴𝘢 𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘭𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘢𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toekarem-pirenena ny seranan-tsambon’i Toamasina, satria manodidina ny 80 % amin’ny fivezivezen’ny entana sy ny fifamoivoizana an-dranomasina iraisam-pirenena eto Madagasikara no mandalo eo aminy. Noho izany, ny fananganana ny PMLP-T dia dingana lehibe hanatsarana ny fitaterana sy ny fitahirizana entana, hampihenana ny fitohanana ary hanamafisana ny fahombiazan’ny asa ara-barotra sy ny indostria.
Ahitana andry 8 lehibe ity tetikasa ity, ka tafiditra ao anatin’izany ny sehatra fitaterana sy fitehirizana entana, ny faritra lojistika sy indostrialy ary ny tolotra nomerika. Anisan’izany ny faritra lojistika mirefy 53 000 m² (5,3 ha) ao Tsarakofafa, manodidina ny 8 km miala ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Ny PMLP-T dia natao hanamafy ny fahafaha-manao ara-lojistika eto Madagasikara, hisarihana ny fampiasam-bola, hampiroborobo ny varotra ary hanohana ny fampandrosoana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina, ho tombontsoan’ny toekarem-pirenena.
MIDSP – Manohana ny fampiasam-bola sy ny fampiroboroboana ny indostria Malagasy.
