MIDSP – Banky Iraisam-pirenena | Fanamafisana ny fiaraha-miasa

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 24 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘴𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘐𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (MIDSP), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢.

👉Natao nandritra izany ny fandrindrana ireo asa hiarahana manatanteraka ao anatin’ny Tetikasa Pôles Intégrés de Croissance (PIC), ary indrindra ny fampifanarahana azy ireo amin’ireo laharam-pahamehan’ny MIDSP.

✅Nifantoka tamin’ny fanohanana ny indostria malagasy, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola tsy miankina ary ny fanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny toekarena ny fifanakalozan-kevitra.

✅Nohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny MIDSP sy ny Banky Iraisam-pirenena, mba hahafahan’ireo tetikasa sy fanohanana tanterahina mitondra vokatra mivaingana ho an’ny sehatra mpamokatra, ny orinasa ary ny famoronana asa eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi...