Fivoriana tsy ara-potoana faharoa eny amin’ny Antenimierampirenena

𝘓𝘢𝘱𝘢𝘯’𝘪 𝘛𝘴𝘪𝘮𝘣𝘢𝘻𝘢𝘻𝘢, 25 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘰𝘴𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘵𝘦𝘯𝘪𝘮𝘪𝘦𝘳𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢, 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘵𝘴𝘺 𝘩𝘪𝘩𝘰𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 12 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰.
Volavolan-dalàna miisa 7 no voafaritra ao anatin’ny lahadinika hodinihina sy hankatoavina mandritra izao fivoriana izao. Anisan’izany ny mikasika ny fifanarahana ara-bola sy fampiasam-bola eo anivon’ny SADC, ny fotodrafitrasa nomerika sy ny serasera elektrônika, ary ny ady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Governemanta, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Nanatrika izany ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa eo anivon’ny Governemanta.
