MIDSP – FAO : Manamafy ny fandrindrana sy mampivelatra ireo seha-pihariana manana tombony ho fanohanana ny sehatra tsy miankina

📍𝘈𝘯𝘰𝘴𝘺, 14 𝘢𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘧𝘪𝘷𝘰𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘭𝘰𝘻𝘢𝘯-𝘬𝘦𝘷𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺  » 𝘍𝘰𝘰𝘥 𝘢𝘯𝘥 𝘈𝘨𝘳𝘪𝘤𝘶𝘭𝘵𝘶𝘳𝘦 𝘖𝘳𝘨𝘢𝘯𝘪𝘻𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯 (𝘍𝘈𝘖)  » 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘢𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢. 𝘕𝘪𝘧𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘣𝘺 𝘴𝘺 𝘭𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘮-𝘱𝘢𝘩𝘢𝘮𝘦𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢-𝘱𝘪𝘩𝘢𝘳𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘱𝘢𝘮𝘣𝘰𝘭𝘦𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘢𝘧𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯’𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢.

✅Nifantoka indrindra tamin’ny maha-zava-dehibe ny fananana angon-drakitra azo antoka, ny fanamafisana ny fandrindrana eo amin’ireo mpisehatra, ny famantarana sy fampivelarana ireo seha-pihariana manana vina sy tombony lehibe, ary ny fanamorana ny fanentanana sy fitarihana ny fampiasam-bola ho amin’ireo laharam-pahamehana nasionaly ny dinika.

✅Nomena lanja manokana ireo seha-pihariana manana fahafahana lehibe, toy ny vary, katsaka ary ny fiompiana, ka tanjona ny hampivelatra sy handrafitra azy ireo ary hampiditra azy ao anatin’ny rojom-pihariana matanjaka sy mifaninana.

📌Manamafy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa akaiky amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina ny Minisitera, mba hanovana ireo harena sy vinavina ananan’i Madagasikara ho fahafahana mivaingana amin’ny fampiasam-bola, famokarana ary famoronana asa.

Vous aimerez aussi...