Fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy

𝙈𝙖𝙝𝙖𝙢𝙖𝙨𝙞𝙣𝙖, 26 𝙟𝙤𝙣𝙖 2026 – 𝙏𝙤𝙣𝙩𝙤𝙨𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙢-𝙥𝙞𝙛𝙖𝙡𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙢-𝙗𝙤𝙣𝙞𝙣𝙖𝙝𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙖𝙩𝙨𝙤 𝙡𝙚𝙝𝙞𝙗𝙚 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙤𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙧𝙖𝙢𝙞𝙡𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙩𝙧𝙞𝙠𝙚𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖, 𝙣𝙚𝙣𝙩𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙣𝙩𝙤𝙡𝙤 𝙣𝙖𝙣𝙠𝙖𝙡𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖-66 𝙩𝙖𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙞𝙫𝙚𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤𝙫𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙣𝙞𝙟𝙤𝙧𝙤𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙤𝙡𝙤𝙖𝙡𝙞𝙣𝙙𝙖𝙝𝙮 𝙈𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana tamin’ny alalan’ny fisafoana ny andian-tafika ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely Randrianirina Michaël. Nampiavaka manokana ity andiany faha-66 ity ny fisian’ireo vahiny manan-kaja ambony avy any ivelany izay nanome voninahitra ny fanasana. Teo ny Filohan’ny Vondron’i Kaomoro, Azali Assoumani, ny Filohan’ny Repoblikan’i Kenya, William Samoei Ruto, ary ny Filoha Lefitry ny Governemanta Gaboney, Hermann Immongault, niaraka tamin’ireo masoivoho sy solontenan’ny Vondrona diplaomatika monina sy miasa eto Madagasikara, izay samy maneho ny fisian’ny fiaraha-miasa matotra sy ny fifandraisana tsara eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena namana.
Anisan’ny nanamarika ny hetsika androany, ankoatra ny matso tsara rindra nataon’ny Foloalindahy, ny fanehoan’ny vahoaka malagasy ny hambom-pony sy ny maha-izy azy tamin’ny alalan’ny fitafy nentin-drazana.
Tonga maro be nanotrona sy naneho ny firaisankinany ary ny fitiavan-tanindrazany teny an-toerana ny mpiara-miasa eto anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) , notarihin’Andriamatoa Minisitra RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina, ho mariky ny fahavononana sy ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny toekarena eto Madagasikara.
Ny MIDSP dia miarahaba ny Malagasy rehetra tratry ny Asaramanitra, ary miantso ny hery velona rehetra hifanome tànana hatrany ho fampandrosoana ity Tanindrazana malalantsika ity.
