Dinika ho fanaingana ny ara toekarena isam-paritra, Faritra FIANARANTSOA: Haute Matsiatra – Amoron’ny Mania – Ihorombe – Vatovavy – Fitovinany ary Atsimo Atsinanana

𝗥𝗢𝗦𝗢 𝗡𝗬 𝗗𝗜𝗔 𝗧𝗦𝗔 𝗠𝗜𝗣𝗢𝗗𝗬 𝗞𝗢𝗔

Taorian’ny nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny dinika ho fanaingana ny ara-toekarena tao Antananarivo ny 19 janoary 2026 lasa teo dia niroso taminny fanantanterahana ny anjarany ny Faritr’i Fianarantsoa.

Manodidina ny 130 teo ireo olona tonga nanatrika izany izay natao tao amin’ny hotely Zomatel. Marihina fa io dinika io dia dingana entina hanarenana ny toekarena isam-paritra.

Ankoatra ireo seha-pihariana maro toy ny agribusiness, ny textile, ny fizahan-tany ary ny “TIC” dia anisany nasongadina sy navoitra manokana ny seha-pamokarana “huile essentielle » izay mampiavaka ny faritra.

Tanjona tamin’ity dinika isam-paritra ity ny fanarenana indray ny toekarena isam-paritra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Fitondram-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Anisan’ny tanjona ihany koa ny ahafahana mahalala ny marary sy ny hetahetan’ireo mpandraharaha ary ny fijerena vahaolana maharitra ho an’izy ireo. Nisy noho izany ny fikaonandoha sy atrikasa izay natao hanangonana ireo olana sedrain’ireo mpandraharaha sy ireo tantsaha madinika sy salantsalany. Teo koa ny fandraisana ireo vahaolana naroson’ny tsirairay avy. Navondrona moa ireo angon-kevitra sy soso-kevitra ireo ka nentina teny anivon’ny Minisitera ho ampiasaina amin’ny dingan’ny fanatanterahana.

Nisolontena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP) RASOARAHONA Andriniaina tany an-toerana moa ny Talean’ny Fitaleavana misahana ny fanohanana ny Indostria maharitra (DAID), Ulrich RAMIANDRASOA.

Vous aimerez aussi...