Dinika isam-paritra ho fanaingana ny toekarena, Faritra TOLIARA

Tao amin’ny « Jardin de la mer » Toliara no natao ny dinika sy fakan-kevitra ho fanaingana ny toekarena ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana ny 29 Janoary 2026 lasa teo. Mpandray anjara manodidina ny 150 no niara-nisalahy tamin’izany.

Nisolo-tena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina nandritra ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Indostria (DGI), RAZAFINDRAZAKA Nainanirina. Nohamafisiny nandritra ny lahateniny fa “tsy fotoanan’ny kabary intsony izao fa asa ary asa hatrany. Ka tsy fivoriana fotsiny izao atao izao fa fiandohan’ny asa izay hitondra amin’ny fanapahan-kevitra mivaingana sy vokatra azo tsapain-tanana.”

Nisy arak’izany ny fakan-kevitra ifotony ireo sehatra tsy miankina, ny famantarana ireo laharam-pahamehana ara-toekarena eo an-toerana ary niafara tamin’ny famolavolana sosokevitra sy vahaolana mivaingana takian’ny zava-misy ara-toekarena any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

Tanjona mandritra izao dinika izao moa ny hamelomana indray ny toekarena isam-paritra amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Fitondrana sy ny sehatra tsy miankina.

Vous aimerez aussi...