Voatra andiany faha 12 / Hetsika manome lanja ny famoronana

𝘈𝘭𝘢𝘳𝘰𝘣𝘪𝘢 (𝘕𝘰𝘷𝘰𝘵𝘦𝘭), 𝘡𝘰𝘮𝘢 𝘧𝘢𝘩𝘢 17 𝘢𝘱𝘳𝘪𝘭𝘺 2026 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘭𝘢𝘯-𝘥𝘳𝘦𝘴𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘰𝘬𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯𝘪𝘵𝘺 𝘩𝘦𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘵𝘺 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘯𝘰𝘭𝘰𝘳𝘢𝘯𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘫𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢, 𝘙𝘈𝘡𝘈𝘍𝘐𝘕𝘋𝘙𝘈𝘡𝘈𝘒𝘈 𝘕𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗) 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘪𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘴𝘢𝘬𝘢𝘧𝘰.
Araka ny Dinanny Fandaharanasa momba ny Indostria, ny tanjoni Madagasikara dia ny hampiakatra ny anjaranny indostria aminny harinkarena faobe (PIB) ho 30 % any aminny taona 2040, raha 15 % izany ankehitriny.
Eo anivonny MIDSP, ny Tetikasa fampandrosoana ny faritry ny fanodinana ny vokatry ny fambolena any aminny Faritra Atsimo Andrefani Madagasikara (PTASO) no iray aminireo fitaovana lehibe entina mandrafitra ny fanodinana ny vokatry ny fambolena sy mamporisika ny famoronana asa, na maharitra izany na tsia.
Tombanana ho 120 000 eo ho eo ny asa hateraky ity tetikasa ity. Efa an-dalam-pananganana ihany koa ny Tahirim-pirenena ho anny Fampandrosoana ny Indostria (FNDI). Ity rafitra ity dia hamela ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME/PMI) malagasy hahazo fanohanana ara-bola sy ara-teknika mba hanamafisana ny fahaiza-mifaninana eo aminny tsena anatiny sy iraisam-pirenena, ary indrindra hanamorana ny fidirany ao anatinny sehatry ny famokarana anireo orinasa vaventy.
Raha fehezina, ny Governemanta dia manome toky fa hanangana tontolo mahasoa ahafahanireo mpandraharaha malagasy mivoatra, mamorona zava-baovao, afaka miatrika fifaninanana, ary mamokatra asa maharitra, indrindra ho an’ny tanora.
