MTM Lohabary an-dasy manodidina ny fanavaozana sy ny fampivoarana

𝘕𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘣𝘢𝘳𝘺 𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘵𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘵𝘳’𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰 (𝘔𝘛𝘔).

📌Hetsika nampivondrona ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fitaterana an-tanety.

Tanjona ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana, hijerena ireo sakana sy olana mety hisy fiantraikany amin’ny asa fitaterana. Nodinihina ihany koa ireo hevitra sy soso-kevitra ary traikefa azo ifampizarana, entina hanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa. Etsy ankilany, kendrena ny hahatonga ny sehatry ny fitaterana ho asa mahavelona ho an’ireo mpitatitra, sady mahafeno fepetra amin’ny filan’ny mpanjifa na eo amin’ny kalitao na amin’ny habetsahan’ny zotra.

✅Anisan’ny lohahevitra nodinihina nandritra ny adihevitra ihany koa ny momba ny fifamoivoizana sy ny fitantanana azy, ny fampiofanana ireo mpamily, ary ny ady amin’ny kolikoly eny an-dalambe.

📌Nandray anjara tamin’ny hetsika moa ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny RAZAFIMAHAFALY Séraphin, izay nanao famelabelarana mahakasika ny fenitra ara-pitaterana. Teo ihany koa ny Tale Jeneralin’ny Fampiroboroboana ny Sehatra Tsy Miankina, DISAINE Lala izay nanazava ny momba ny orinasa kaoperativa sy ny orinasa fitaterana.

Tondrozotra mifototra tamin’ireo fanangonan-kevitra sy dinika natao moa no dingana manaraka.

Vous aimerez aussi...