UNIPOD Madagascar / Fanaovan-tsonia sy Atrikasa fanentanana

𝘾𝙖𝙧𝙡𝙩𝙤𝙣 𝘼𝙣𝙤𝙨𝙮, 𝙛𝙖𝙝𝙖-07 𝙈𝙚𝙮 2026 – « 𝘕𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘵𝘢𝘩𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘜𝘯𝘪𝘗𝘰𝘥 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘩𝘰 𝘮𝘢𝘻𝘢𝘷𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘯𝘪𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘯𝘰𝘮𝘦 𝘭𝘢𝘯𝘫𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘪𝘻𝘢-𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘵𝘳𝘢, 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘳𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘵𝘢𝘯𝘰𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 ». 𝘐𝘰 𝘯𝘰 𝘯𝘢𝘮𝘣𝘢𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘛𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘰𝘬𝘢𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘢𝘵𝘳𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘧𝘢𝘯𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘪𝘬𝘢𝘴𝘢 𝘜𝘯𝘪𝘗𝘰𝘥 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺.

✅‎ Taorian’ny fampahafantarana ny tetikasa dia natao ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), izay hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony sy ny sehatra taozava-baventy.

‎

✅Nisy avy eo ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fomba fitantanana ny tetikasa, ny fizakamanana ara-tsaina (propriété intellectuelle), ny tolotra omen’ny tetikasa ary ny paikady hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Nizara roa ny sehatr’asa nifanakalozana.

‎

📌Ny voalohany niarahan’ireo manana traikefa eo amin’ny sehatra tsy miankina ka nitondra ny lohahevitra : « Construire un écosystème d’innovation et de croissance au service de la souveraineté et de la croissance », izay notarihan’ny Talen’ny Fampiroboroboana Fandraharahana (DPE) FALIARIVONY Liliane Kezia avy eto amin’ny MIDSP.

‎

📌Ny faharoa kosa namaliana ny fanontaniana: « Quelle gouvernance pour transformer l’innovation en impact concret ?», niarahan’ireo Minisitra sy solotena isankarazany anisan’izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy miankina.

Ny tetikasa UniPod Madagascar moa dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP), ka misitraka fanohanana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ny « Programme des Nations Unies pour le Développement » (PNUD).

Vous aimerez aussi...