Fihaonambe ho fanavaozana ny fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa

𝘔𝘢𝘩𝘢𝘫𝘢𝘯𝘨𝘢, 11 𝘈𝘰𝘨𝘰𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘮𝘣𝘦 𝘩𝘰 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘯𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘛𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘰𝘧𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢𝘬’𝘈𝘴𝘢 𝘯𝘰𝘵𝘢𝘳𝘪𝘩𝘪𝘯’𝘈𝘯𝘥𝘳𝘪𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘗𝘳𝘢𝘪𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘓𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢, 𝘙𝘈𝘑𝘈𝘖𝘕𝘈𝘙𝘐𝘚𝘖𝘕 𝘔𝘢𝘮𝘪𝘵𝘪𝘢𝘯𝘢, 𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘳𝘰𝘣𝘰𝘳𝘰𝘣𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘐𝘯𝘥𝘰𝘴𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘪𝘷𝘦𝘭𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘔𝘪𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 (𝘔𝘐𝘋𝘚𝘗), 𝘙𝘈𝘏𝘈𝘙𝘐𝘔𝘈𝘕𝘑𝘈𝘛𝘖 𝘕𝘺 𝘙𝘪𝘢𝘯𝘢 𝘕𝘢𝘮𝘱𝘰𝘪𝘯𝘢, 𝘯𝘪𝘢𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘱𝘪𝘬𝘢𝘮𝘣𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘢𝘴𝘢𝘯𝘺 𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘦𝘮𝘢𝘯𝘵𝘢.
Ho an’ny MIDSP, manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny indostria sy ny sehatra tsy miankina ny fananana tanora sy mpiasa voaofana, manana fahaiza-manao mifanaraka amin’ny tena filàn’ny orinasa sy ny tsenan’ny asa.
Ny fanavaozana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa araka izany dia singa iray lehibe amin’ny fananganana indostria matanjaka, mamokatra ary mifaninana, sady manome sehatra bebe kokoa ho an’ny tanora Malagasy.
