PNRDC | Mitohy any amin’ny Faritra Fitovinany ny fanisana ireo orinasa kaoperativa.

📍𝘔𝘢𝘯𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢, 03 𝘯𝘰𝘷𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026 – 𝘕𝘢𝘯𝘰𝘮𝘣𝘰𝘬𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘰𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘵𝘢𝘯𝘵𝘦𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘥𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘩𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘳𝘢𝘧𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘰𝘮𝘦𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘰𝘳𝘪𝘯𝘢𝘴𝘢 𝘬𝘢𝘰𝘱𝘦𝘳𝘢𝘵𝘪𝘷𝘢 (𝘗𝘕𝘙𝘋𝘊) 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘳𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘍𝘪𝘵𝘰𝘷𝘪𝘯𝘢𝘯𝘺.

✅ Orinasa kaoperativa miisa 153 mahery no mampandroso ny fandraharahana sy ny fanodinana ny vokatra eny ifotony ao amin’ny Faritra Fitovinany. Ny 50 amin’izy ireo no efa miodina manaraka ny lalàna laharana 2023-016 tamin’ny 11 aogositra 2023 hatreto. Tanjona napetraky ny Fitaleavana iraisam-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (DIRIDSP) Manakara ny hanarahan’ireo orinasa kaoperativa rehetra eo anivon’ny Faritra ity lalàna vaovao ity.

📌 Notsindrian’ny Tale iraisam-paritra ANDRIANJAFY François Lucien Juhavelange nandritra izany ny fandraisan’ny orinasa kaoperativa anjara eo amin’ny fampandrosoana ny fari-piainan’ny mponina sy ny toekaren’ny Faritra. Hitombo hatrany amin’ny 80% ny fampandrosoana ny Faritra Fitovinany amin’ny alalan’ny fanatsarana ny tontolon’ny orinasa kaoperativa hoy kosa ny solotena avy amin’ny Faritra.

✅ Hetsika sy ezaka toy ny PNRDC no maneho ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hanohana ny sehatra tsy miankina. Hetsika izay tohanan’ny PNUD ara-bola.

📌 Eny amin’ny biraon’ny DIRIDSP ao Manakarabe akaikin’ny MEF no manatanteraka ny fanisana ny ekipan’ny DIRIDSP. Manentana hatrany ireo orinasa kaoperativa eo anivon’ny Faritra Fitovinany ho tonga mavitrika hanao ny fanisana ho tombontsoan’izy ireo.

#MIDSP

#pnrdc

Vous aimerez aussi...