FIM andiany faha-27
«𝗛𝗔𝗠𝗣𝗔𝗡𝗗𝗥𝗢𝗦𝗢 𝗔𝗡’𝗜 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗟𝗔𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗔𝗦𝗔 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗛𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡𝗔»

𝗜𝘃𝗮𝘁𝗼, 𝗳𝗮𝗵𝗮 07 𝗠𝗲𝘆 2026 – 𝘕𝘪𝘴𝘰𝘬𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘵𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘖𝘧𝘪𝘴𝘪𝘢𝘭𝘺 𝘰𝘮𝘢𝘭𝘺 𝘵𝘦𝘵𝘴𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘊𝘊𝘐 𝘐𝘷𝘢𝘵𝘰 𝘯𝘺 𝘍𝘐𝘔 𝘢𝘯𝘥𝘪𝘢𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢 27. 𝘍𝘪𝘩𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘦𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢, 𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘮-𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘳𝘢-𝘮𝘪𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯’𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘵𝘦𝘬𝘯𝘪𝘬𝘢.
Nanomboka ny Alakamisy 07 Mey ary hifarana ny Alahady 10 Mey 2026 ny FIM andiany faha-27. Mpitsidika manodidina ny 30 000 no andrasana ary trano heva miisa 400 no miranty.
Ity fampirantina iraisam-pirenena ity no ambompihaonana fifanankalozana ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara anisany lehibe indrindra.
Atrikasa, famelabelaran-kevitra, fandraisana mpiasa ary varotra sy fampirantina no hita eny an-toerana mandritra ny efatra andro. Ny andro voalohany omaly moa dia natokana indrindra ho amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Ny MIDSP amin’ny maha rafi-panjakana isany miahy ny hetsika dia manaranty ny fanohanany ireo mpandraharaha amin’ny fampandrosoana ny asany, ka ny tranoheva 267 sy 268 no misy azy.
