Nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-74 taonan’ny Revolisiona Ejipsiana ny MIDSP

𝘼𝙢𝙗𝙤𝙝𝙞𝙗𝙖𝙤, 09 𝙅𝙤𝙡𝙖𝙮 2026 – 𝘕𝘰𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘵𝘢𝘰 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘳𝘢𝘯𝘰 𝘧𝘰𝘯𝘦𝘯𝘢𝘯-𝘥𝘙𝘢𝘮𝘢𝘵𝘰𝘢 𝘔𝘢𝘴𝘰𝘪𝘷𝘰𝘩𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘱𝘰𝘣𝘭𝘪𝘬𝘢 𝘈𝘳𝘢𝘣𝘰𝘯’𝘪 𝘌𝘫𝘪𝘱𝘵𝘢, 𝘙𝘢𝘣𝘢𝘣 𝘈𝘉𝘋𝘌𝘓𝘏𝘈𝘋𝘐, 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘭𝘢𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢-74 𝘵𝘢𝘰𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘙𝘦𝘷𝘰𝘭𝘪𝘴𝘪𝘰𝘯𝘢 𝘌𝘫𝘪𝘱𝘴𝘪𝘢𝘯𝘢 « 23 𝘑𝘰𝘭𝘢𝘺 1952 ».

✅Nanatrika izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP), Andriamatoa RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina. Teo ihany koa ireo mpikambana hafa eo anivon’ny Governemanta, solontenam-panjakana, ny masoivoho vahiny ary ireo manam-boninahitra isan-tsokajiny, ho fanamarihana ny lanjan’ny fifandraisana ara-diplomatika misy eo amin’i Madagasikara sy ireo firenena mpiara-miombon’antoka.

📌Nandritra ny lahateniny, Ramatoa Masoivoho dia nampitaha ny fitakian’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny tanora, tamin’ny Septambra 2025, tamin’ny « Printemps Arabe » – izay vokatry ny ady amin’ny tsy fitovian-tsaranga ara-tsosialy, ny fitadiavana fahafahana ara-toekarena ary ny fanatsarana ny fitantanana. Teo ihany koa ny nanamafisany fa hery lehibe ho an’ny firenena roa tonta ny fiaraha-miasa efa misy amin’ny sehatry ny fambolena, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny varotra ary ny fotodrafitrasa. Ho tohizana amin’ny sehatra vaovao izany manomboka izao, toy ny nomerika, ny angovo azo havaozina, ary ny teknolojia avo lenta, indrindra ny Ilontsaina Artifisialy (Intelligence Artificielle).

📌Nasongadiny ihany koa ny anjara toeran’i Ejipta amin’ny fampandriana fahalemana sy ny fampandrosoana aty Afrika, ary ny fanohanany ny dingan’ny Fanavaozana an’i Madagasikara ao anatin’ny Vondrona Afrikana. Izany rehetra izany dia vokatry ny soatoavina iombonana toy ny fifanajàna, ny fahatokisana, ny firaisankina ary ny fampandrosoana maharitra.

📌Ho an’ny MIDSP manokana, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika tahaka izao dia fomba iray hanamafisana ny fifandraisana iraisam-pirenena, mikendry hatrany ny fampiroboroboana ny sehatra rehetra sahanin’ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...